07 mars 2007
VEHIVAVY AHO
Vehivavy aho fa tsy lehilahy.
Samy hafa ny talenta nomena azy sy ny ahy.
Toa azy, manana ny hasiko aho sy ny zo
Hihary eto amin’ny taniko, hiteny ny hevitro, ho to.
Vehivavy aho. Indrisy! Kilema izany mazàna,
Indrindra moa ny fananan’anaka any am-piasana.
Araraotina ahena ny karamako, roahina aho
Fa be erehina, hono, tsy mahavita izao sy izao…
Vehivavy aho. Bantina ho fanaka malemy
Ka tsy avela hitantana ombieny ombieny
Mba tsy hahafahako miaro ny hasiko
Raha Adama manampatra ny filany amiko.
Vehivavy aho. Reharehako nefa izany.
Izaho no nihavian’ny olona rehetra eto an-tany,
Nikolo, nanabe, nanefy azy ireo ho lehilahy
Mahomby, manan-jara ary manam-panahy.
Vehivavy aho. Mila ahy ny firenena,
Ny tokantranoko raha te-hahomby sy hanankarena.
Ka dia hitolona aho ho afaka ny andriambavilanitra
Ho an’ny zanako, ho an’ny taniko, ho voninahitr’Andriamanitra!
Domoina, 7 marsa 2007
19:32 Publié dans POÈMES MALGACHES | Lien permanent | Commentaires (1) | Envoyer cette note
30 janvier 2007
TENA MISY NY FITIA
Adala hono aho
Manaja sy miandry anao,
Satria izaho mino
Fa ianao koa tsy mety manadino
Na lavitra aza ny elanelantany
Dia izaho irery hatrany hatrany
No hany tompon'ny fonao...
Indrisy, adala izao tontolo izao!
Adala izy satria
Tena misy ny fitia
Tsy voasanda, tsy voafetra,
Mandresy ny zava-drehetra,
Ny halavirana, ny fotoana,
Na inona sedra manoloana
Dia mitoetra ho tokana doria
Tsy angano fotsiny ny fitia!
Adala ve ny Ray Tsitoha
Nilaza fa zava-poana avokoa
Ny harena sy fahasoavana
Fa ambony indrindra ny fitiavana?
Tsy adala mihitsy aho,
Sambatra indrindra izaho sy ianao
Mahafantatra sy miaina ny fitia
Maharitra doria doria!
Dia hohaveriko hatrany
Mandra-podiako ho vovontany
Isaky ny manoratra aho
Ho fantatr'izao tontolo izao:
Tena misy ny fitia
Hitoetra mandrakizay doria,
Izy irery no manome ny hasambarana
Tsy manam-pitsaharana...
Domoina Ratovozanany, janoary 2007
22:13 Publié dans POÈMES MALGACHES | Lien permanent | Commentaires (0) | Envoyer cette note
HITIA ANAO
Handao izay rehetra mamiko
Hiarahana aminao,
Hanokana ny hoaviko
Hahasambatra anao,
Izay talenta, soa ananako,
Omeko, afoiko daholo !
Ny aiko sy ny fitiavako
Ho anao manontolo…
Na ho mamy na hangidy,
N’inon’inona hanjo ahy,
Hitia anao ry sarobidy,
No voadiko mandrakizay !
Ny foko tia, tena tia,
Nifidy anao ho anjarany.
Hatramin’izao ka ho doria,
Hitia anao hatramin’ny farany…
Domoina Ratovozanany, 2002
22:00 Publié dans POÈMES MALGACHES | Lien permanent | Commentaires (1) | Envoyer cette note