07 mars 2007
VEHIVAVY AHO
Vehivavy aho fa tsy lehilahy.
Samy hafa ny talenta nomena azy sy ny ahy.
Toa azy, manana ny hasiko aho sy ny zo
Hihary eto amin’ny taniko, hiteny ny hevitro, ho to.
Vehivavy aho. Indrisy! Kilema izany mazàna,
Indrindra moa ny fananan’anaka any am-piasana.
Araraotina ahena ny karamako, roahina aho
Fa be erehina, hono, tsy mahavita izao sy izao…
Vehivavy aho. Bantina ho fanaka malemy
Ka tsy avela hitantana ombieny ombieny
Mba tsy hahafahako miaro ny hasiko
Raha Adama manampatra ny filany amiko.
Vehivavy aho. Reharehako nefa izany.
Izaho no nihavian’ny olona rehetra eto an-tany,
Nikolo, nanabe, nanefy azy ireo ho lehilahy
Mahomby, manan-jara ary manam-panahy.
Vehivavy aho. Mila ahy ny firenena,
Ny tokantranoko raha te-hahomby sy hanankarena.
Ka dia hitolona aho ho afaka ny andriambavilanitra
Ho an’ny zanako, ho an’ny taniko, ho voninahitr’Andriamanitra!
Domoina, 7 marsa 2007
19:32 Publié dans POÈMES MALGACHES | Lien permanent | Commentaires (1) | Envoyer cette note
Commentaires
c'est du malgache ....mais je ne comprends pas ...c'est fort dommage
Ecrit par : bernard | 18 mars 2007
Les commentaires sont fermés.