30 janvier 2007

TENA MISY NY FITIA

Adala hono aho
Manaja sy miandry anao,
Satria izaho mino
Fa ianao koa tsy mety manadino
Na lavitra aza ny elanelantany
Dia izaho irery hatrany hatrany
No hany tompon'ny fonao...
Indrisy, adala izao tontolo izao!

Adala izy satria
Tena misy ny fitia
Tsy voasanda, tsy voafetra,
Mandresy ny zava-drehetra,
Ny halavirana, ny fotoana,
Na inona sedra manoloana
Dia mitoetra ho tokana doria
Tsy angano fotsiny ny fitia!

Adala ve ny Ray Tsitoha
Nilaza fa zava-poana avokoa
Ny harena sy fahasoavana
Fa ambony indrindra ny fitiavana?
Tsy adala mihitsy aho,
Sambatra indrindra izaho sy ianao
Mahafantatra sy miaina ny fitia
Maharitra doria doria!

Dia hohaveriko hatrany
Mandra-podiako ho vovontany
Isaky ny manoratra aho
Ho fantatr'izao tontolo izao:
Tena misy ny fitia
Hitoetra mandrakizay doria,
Izy irery no manome ny hasambarana
Tsy manam-pitsaharana...

Domoina Ratovozanany, janoary 2007

Les commentaires sont fermés.