30 janvier 2007
HITIA ANAO
Handao izay rehetra mamiko
Hiarahana aminao,
Hanokana ny hoaviko
Hahasambatra anao,
Izay talenta, soa ananako,
Omeko, afoiko daholo !
Ny aiko sy ny fitiavako
Ho anao manontolo…
Na ho mamy na hangidy,
N’inon’inona hanjo ahy,
Hitia anao ry sarobidy,
No voadiko mandrakizay !
Ny foko tia, tena tia,
Nifidy anao ho anjarany.
Hatramin’izao ka ho doria,
Hitia anao hatramin’ny farany…
Domoina Ratovozanany, 2002
22:00 Publié dans POÈMES MALGACHES | Lien permanent | Commentaires (1) | Envoyer cette note
Commentaires
Tena tsara daholo ireo tononkalo ka tsy hita izay ambara !!! marima mihintsy io lazainao hoe "amoureuse poetique",
Ecrit par : aireis | 25 février 2007
Les commentaires sont fermés.